Colossians 1

1Paoly, apostolin’i Kristy Jesosy amin’ny alalan’ny sitrapon’Andriamanitra, ary i Timoty rahalahantsika, 2ho an’ireo mpino sy ireo rahalahy mahatoky ao amin’ny Kristy izay any Kolosia. Ho aminareo anie ny fahasoavana, sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika. [Fanamarihana ambanin’ny pejy: misy dikan-teny sasany manampy hoe: “ary ny Tompo Jesosy Kristy”]. 3Manome fisaorana an’Andriamanitra isika, ilay Rain’ny Tompontsika Jesosy Kristy, ary mivavaka mandrakariva ho anareo izahay.

4Efa renay ny finoanareo an’i Kristy Jesosy ary ny fitiavana izay ananareo ho an’izay rehetra voatokana ho an’Andriamanitra. 5Manana izany fitiavana izany ianareo noho ny fanantenana azo antoka natokana ho anareo any an-danitra. Henonareo ny momba io fanantenana azo antoka io talohan’ny teny amin’ny fahamarinana, ny filazantsara, 6izay tonga aminareo. Ity filazantsara ity dia mitondra vokatra ary mitombo eran’izao tontolo izao. Izany dia efa nanao izany taminao ihany koananomboka tamin’ny andro nahenonao azy ary nianaranao ny momban’ny fahasoavan’Andriamanitra ao amin’ny marina.

7Ity ny filazantsara izay araka ny nianaranareo tamin’ny Epafra, ilay mpiara-manompo malalantsika, izay mpanompo mahatokin’i Kristy amin’ny anarantsika. [Fanamarihana ambanin’ny pejy: misy dikan-teny sasany mivaky hoe: “Amin’ny anaranareo”] 8Nampahalalan’ny Epafra anay ny fitiavanareo ny Fanahy.

9Noho io fitiavana io, hatramin’ny andro nahenonay izany dia tsy nitsahatra nivavaka ho anareo izahay. Nangataka izahay mba ho feno fahalalana ny sitrapony amin’ny fahendrena rehetra sy fahalalana ara-panahy ianareo. 10Nivavaka izahay mba handehanareo am-pahamendrehana ao amin’ny Tompo amin’ireo fomba ankasitrahan’Andriamanitra. Nivavaka izahay mba hamokatra amin’ny asa soa rehetra ianareo ary mba hitombo fahalalana an’Andriamanitra.

11Mivavaka izahay mba hahazo hery amin’ny fahaizana rehetra ianareo araka ny herin’ny voninahitra amin’ny fiaretana sy ny faharetana. 12Mivavaka izahay mba hanome fisaorana an’ny Raintsika am-pifaliana ianareo, izay nahafahanareo hanana anjara amin’ny lovan’ireo mpino amin’ny fahazavana [Fanamarihana ambany pejy: misy dikan-teny sasany mivaky hoe: “izay nahafahantsika nanana anjara”].

13Namonjy antsika tamin’ny fanapahan’ny haizina sy namindra antsika ho any amin’ny fanjakan’ny Zanany lahy malalany Izy. 14Ao amin’ny Zanany lahy no ananantsika ny fanavotana, ny famelana ireo fahotana. [Fanamarihana ambanin’ny pejy: misy dikan-teny sasany mivaky hoe: “Ao amin’ny Zanany no ananantsika fanavotana amin’ny alalan’ny ràny, dia ny famelana ireo fahotana.”]

15Ny Zanaka lahy dia endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso. Izy ilay teraka voalohany tamin’ny fahariana. 16Fa tamin’ny alalany no nahariana ny zavatra rehetra, ireo izay any an-danitra sy ireo izay ety ambonin’ny tany, ireo zavatra hita maso sy ireo tsy hita. Na ireo seza fiandrianana, na ireo fanapahana, na ireo fitondram-panjakana, na ireo manam-pahefana, ireo zavatra rehetra dia nohariana tamin’ny alalany sy ho azy. 17Izy no alohan’ny zavatra rehetra, ary ao aminy no haharetan’ny zavatra rehetra.

18Izy no lohan’ny vatana, sy ny fiangonana. Izy no fiandohana sy teraka voalohany avy eo anivon’ireo maty, ka izy no nanana toerana voalohany teo anivon’ireo zavatra rehetra. 19Satria sitrak’Andriamanitra ny tokony ny hiainan’ny fahatsarany rehetra ao aminy, 20ary mba hampihavana amin’ny alalan’ny Zanaka lahy amin’ny zava-drehetra amin’izy tenany. Andriamanitra dia nihavana tamin’ny alalan’ny ràn’ny hazo fijaliany. Andriamanitra no nampihavana ny zava-drehetra tamin’ny tenany, na ny zavatra rehetra eto ambonin’ny tany na ireo zavatra rehetra any an-danitra.

21Tamin’ny fotoana iray, ianareo ihany koa, dia vahiny tamin’Andriamanitra ary fahavalony tao an-tsainy sy tamin’ireo asa ratsy. 22Fa ankehitriny izy no nampihavana anareo tamin’ny vatany manontolo tamin’ny alalan’ny fahafatesana. Nataony izany mba hanaovana anareo ho masina, tsy hanam-pondro eo anatrehany, ary nanala baraka azy noho ny fanaratsiana, 23raha manohy amin’ny finoana ianareo, miorina sy mafy orina, dia aza mihataka amin’ny fanantenana mahatokin’ny filazantsara izay renareo. Ity no filazantsara izay nambara tamin’ny olona rehetra nohariana ambanin’ny lanitra. Ity no filazantsara izay, nahatonga ahy, Paoly, ho mpanompo.

24Ankehitriny aho dia faly amin’ny fijaliko ho anareo, ary izaho dia nameno ny nofoko izay tsy ampy amin’ireo fahorian’i Kristy noho ny vatany, dia ny fiangonana. 25Noho ny fiangonana no nahampanompo ahy, araka ny andraikitra avy amin’Andriamanitra izay nomeny ahy ho anareo, mba hahatanteraka ny tenin’Andriamanitra. 26Io no marina miafina izay nafenina nandritry ny taona maro sy ho an’ireo taranaka. Fa ankehitriny dia efa niseho izany tamin’ireo izay mino azy. 27Tamin’izy ireo no tian’Andriamanitra nampahafantarina ireo haren’ny voninahitr’ity fahamarinana miafina ity teo anivon’ny Jentilisa. Izany dia Kristy no ao aminao, ilay tokin’ny voninahitra ho avy.

28Dia izy ilay notorianay. Nananatra ny olona rehetra izahay, ary nampianatra ny olona rehetra tamin’ny fahendrena rehetra, mba hanolorantsika ny olona rehetra feno ao amin’i Kristy. Noho izany dia miasa mafy aho sy miezaka araka ny tanjany izay miasa ato amiko amin’ny hery.

29

Copyright information for PltULB